Anjelisy
(Angelus)


Ny anjelin'Andriamanitra nilaza tamin'i Maria
Ary i Maria nanana anaka tamin'ny Fanahy Masina

Arahaba ry Maria...

Inty aho ankizivavin'ny Tompo
Aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao

Arahaba ry Maria...

Ary ny teny tonga nofo
Ary izy niara-nonina tamintsika

Arahaba ry Maria...


Mivavaha ho anay ry Reny Masin'Andriamanitra.
Mba ho tonga mendrika ahazo ny nampanantenain'i Jesoa Kristy izahay.


AOKA ISIKA HIVAVAKA
Mihanta Aminao izahay ry Tompo
Ahidino ao am-ponay ny fahasoavanao
fa efa nandre tamin'ny Anjely ny nahatongavan'ny Jesoa Krsity ho nofo izahay
ary ny nojaliany sy ny nahafatesany teo ambony hazofijaliana
dia mba ahazoanay ny voninahitra nananany
tamin'Izy nitsangan-ko velona tamin'ny maty
Amen.



Voninahitra anie ho an'ny Ray...