Tononkiran'i Maria

Mankalaza ny Tompo ny fanahiko
ary faly sy ravo amin'Andriamanitra mpamonjy ahy ny foko

fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny
Fa indro, hatramin'izao, dia ataon'ny taranaka rehetra hoe, sambatra aho

Satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany.

Sady amin'izay matahotra Azy hatramin'ny fara-mandimby
ny famindrampony

Nahefa asa mahery tamin'ny sandriny Izy
dia nampihahafiny izay miavonavona tamin'ny fisainan'ny fony;

naongany hiala tamin'ny fiketrahany ny mpanapaka,
fa ny ambany kosa nasandrany;

ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanan-karena kosa, dia nampodiany tanam-polo

Niahy an'Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony

tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin'ny razantsika

(Lk 1, 46-55)


Voninahitra...