Ry mpanjakavavin'ny lanitra



Ry Mpajakavavin'ny lanitra, mifalia aleloia
satria ilay nentinao tany am-bohoka,aleloia
Dia efa nitsangan-ko velona araka ny teniny, aleloia
mivavaha amin'Andrimanitra ho anay aleloia

Mifalia sy miravoa, ry Maria Virjiny, aleloia!
satria nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, aleloia!


AOKA ISIKA HIVAVAKA
Ry Andriamanitra, Ianao nampientan-kafaliana an'izao tontolo izao tamin'ny nitsanganan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay; koa mihanta Aminao izahay, enga anie noho ny vavak'i Maria Virjiny dia mba homenao anay ny fiainan-tsambatra mandrakizay. Amin'ny alalan'i Jesoa Tomponay.
Amen.



3 Voninahitra anie ho an'ny Ray