Fangataham-piarovana amin'i Md Misely


Ry Misely Arakanjely masina,
ampio izahay amin'ny ady manjo anay;
Arovy izahay amin'ny hasoparana sy ny fandriky ny demony.

ifona izahay
aoka hosakanan'Andriamanitra izy.

Ary ianao, ry Filohan'ny tafiky ny lanitra
noho ny herin'Andriamanitra
dia tohero i Satàna sy ny fanahy mpanimba rehetra
izay miahaka eran'izao tontolo izao
ka avarino any amin'ny afobe.


Amen.